Sarona tao amina fiara mpitatitr’olona, mampitohy an’Ambanja sy Mahajanga, ny rongony 150 kg, omaly. Nafenina tao anaty gony maromaro, nokasain’ny tompony hamidy any Mahajanga ireto entana ireto. Sendra ny mpitandro filaminana nanao fisavana teny amin’ny lalam-pirenena ny fiara nitatitra izany. Voasakana, tra-tehaka tao anaty taksibrosy ny gony miisa 5 feno […]
Mois : mai 2023
Ambondrona – Mahajanga: taolam-paty hita tao anaty kirihitra
Narian’ny olona tsy fantatra, taolam-paty am-polony tao amin’ny fokontany Ambondrona – Potomainty, ny sabotsy 06 mey teo. Renim-pianakaviana iray sendra nandalo no nahatsikaritra ny fisian’io tranga io. Nampandre avy hatrany ny tomponandraikitra ao an-toerana izy. Nidina ifotony ireto farany nanamarina ny zava-misy. Nipetraka anaty kirihitra ny taolan-dava maromaro. Tsy fantatra […]
Tratra nanao kolikoly : Kaomisera migadra 2 taona
Tratra ambodiomby nanao kolikoly ny kaomisera iray tao Mahanoro. Vola mitentina 3 tapitrisa Ariary no nampijabaka azy. Nomelohin’ny fitsarana migadra roa taona an-tranomaizina Voaheloka higadra 2 taona an-tranomaizina ny kaomisera iray, eo anivon’ny polisy ao Mahanoro, taorian’ny niakarany teny anivon’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly (PAC), ny 4 mey teo. Resaka […]




