Atao eto Antananarivo, ny 8 hatramin’ny 10 mey, ny andiany faha-37 ny fivoriana iraisam-pirenen’ny vaomiera mpitarika ao amin’ny Biraom-paritry ny Fikambanana iraisam-pirenena mikasika ny ladoany (OMD). Fivoriana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisiana tomponandraikitry ny haban-tseranana aty amin’ny tapany atsimo sy atsinanan’Afrika (ESA). Miisa 24 ny firenena mpikambana ESA mandray anjara. Nilaza […]
Mois : mai 2023
Sunref Madagascar: fanohanana tetikasa 30 mahery
Nanomboka ny janoary 2021 ny fandaharanasa Sunref Madagasikara. Tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ara-bola, tanterahin’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), mifantoka amin’ny lafiny angovo sy ny tontolo iainana. Tamin’ireo orinasa aman-jatony nanolotra ny tetikasany avy, maherin’ny 30 ny voasivana. Taorian’ny nijoroan’ny fandaharanasa Sunref Madagasikara, ny taona 2021, nampahafantarina ny jolay […]
Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy azo ekena ny hametrahana Tetezamita”
“Tsy azo ekena sy tsy ilaina ny fametrahana fitondrana tetezamita izany. Tsy hiray petsapetsa amin’izany isika. Mitaky ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara isika”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, tany Analanjirofo sy Atsinanana, ny herinandro teo. Nohenoiny tamin’ireo vahoaka amin’ny faritra nolalovany ny maharary azy ireo. Anisan’izany ny […]
Depiote Randrianasolo Nicolas : “Ilaina ny fifampidinihana”
“Inona no manakana ny fitondram-panjakana hiantso ny mpanohitra na ny FFKM hanao fifampidinihana? Tsy tokony hataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao an-tsainy ny hoe fizarana seza izay fifampiresahana izay”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny GJMP, tany Betroka, Randrianasolo Jean-Nicolas, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy sakanana avokoa ny mpanao […]
Fandrobana: nisy namaky ny foibe FFKM eny Anjohy
Asan-jiolahy sa resaka politika ? Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa nisy namaky, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo, ny foiben’ny FFKM, eny Anjohy. Efa nametraka fitoriana eny amin’ny polisy izy ireo, amin’izao fotoana izao. “Very tamin’izany ny ordinatera sy seza ary radio miaraka amin’ny kojakoja samihafa. Tsy mitombina kosa anefa […]




