Mois : mai 2023

«Tournoi Inter Medias» : tompondaka ny Ilontsera sy ny Kolo Production

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana ho an’ny mpanao gazety, «Inter Medias», andiany voalohany. Nandrombaka ny amboara teo amin’ny Foot à 7, lehilahy, ny orinasa Ilontsera, raha toa ka ny Kolo Production ny an’ny taranja basikety « mixte ». Ny eki­pan’ny Ultima Media (ivondronan’ny gazety Taratra […]

Filoha Rajoelina Andry: miantso ny FMF hizara ny valin-kasasaran’ny Barea Chan

Mitsipaka ny fandaminana napetraky ny Federasiona malagasy (FMF), amin’ny fitsinjarana ny «Prize money», azon’ny Barea de Madagascar, tany amin’ny “Chan 2022” ny mpanazatra sy ny mpilalaon’ny Barea. Miantso ny FMF, araka izany, ny filoha Rajoelina Andry hizara izany valin-kasasaran’ny mpilalao izany. Nanao fanambarana niaraka, Andriama­nam­pisoa Alfred fi­lo­ha lefitra voalohan’ny Federasiona […]

Valiha Académie : 7 mianadahy hivoaka ho mpampianatra

Rehefa nianatra sy nahavita ny dingana faha-III. Mpi­anatra fito mianadahy mianatra eo anivon’ny foibe fampianarana sy fikarohana momba ny mozika «Valiha Académie» no hivoaka ho mpampianatra valiha. Fantatra fa nizara roa ny fiofanana narahin’izy ireo. Fianarana momba ny valiha sy ny fitendrena izany manaraka ny fomba fampianarana mozika fampiasa maneran-tany […]

Jinghui symphony orchestra : 60 mianadahy mivoy ny mozika mitaiza fanahy

Jinghui symphony orchestra, hivondronan’ireo Sinoa «moine», mahatratra 60 mianadahy. Ahitana mpitendry zavamaneno (lokanga, harpe, sodina, contre basse…) sady mpihira, mpandihy. Mivoy ny mozika nentim-paharazana sinoa toy ny mozika klasika bodista. Miangaly ireo mozika klasika tsanganasan’ireo andrarezina maneran-tany toa an’i Mozart, Beethoven, sns ihany koa ny Jinghui symphony orchestra. Tafiditra anatin’ny […]