“Tena mamoafady ny kolikoly, ka tokony ho voaporofo mazava hoe: nisy tokoa ve izany? Raha misy tokoa izany, tsy tokony ho azo leferina. Tsy amin’ny “Raharaha Razaivola Raïssa” ihany, fa amin’ny raharaham-pitsarana rehetra”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tany Fianarantsoa, ny herinandro teo. Marina fa nilaza […]
Mois : mai 2023
Foto-drafitr’olona
Tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana amin’izao? Voalohany sy lehibe amin’izany ny fanorenana fotodrafitrasa; eny, na hoe atao laharam-pahamehana aza ny sosialim-bahoaka noho ny fahasahiranana marolafy. Teo ny dona vokatry ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, ny rivodoza maro nifanesy, ny krizy ateraky ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia… […]
Avy nandona taxi… : Iray maty, fito naratra nofaohin’ny fiara 4×4
Olona iray no fantatra fa maty tsy tra-drano raha fito hafa kosa naratra mafy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao Andramiarana, kaominina Ambohibao Antehiroka, omaly tolakandro… Maty tsy tra-drano ny skoto iray nandeha an-tongotra, nofaohin’ny fiara 4×4 iray teny La Réunion kely, lalam-baovao Andramiarana ,fokontany Morondava, kaominina Ambohibao Antehiroka, omaly […]
Antsahamanitra : jiolahy iray maty voatifitry ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy omaly maraina, tetsy Antsahamanitra, ny lehilahy iray mpanendaka.Tratran’ny polisy nanao fanamiana sivily teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ity. Raikitra ny fifandonana sy finanenjehana teo amin’ny roa tonta. Mbola nisisika nanao ny asa ratsiny hatrany moa ity jiolahy ity nandritra izany ka voatery nitifitra ny polisy mba […]
Mafy ny fifandonana : miaramila iray sy sivily roa naratra voatifitry ny dahalo
Miaramila miasa ao amin’ ny Bataillon du genie sy olon-tsotra roa indray naratra mafy vokatry ny fifandonana mahery vaika tamin’ny dahalo tao Antsahatapaka, kaominina ambanivohitr’i Mahajeby, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny zoma teo. Nanao fanarahan-dia andian-dahalo nangalatr’omby ireo miaramila mpampandry tany niaraka tamin’ ny fokonolona mifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana. Raha ny […]




