Hanomboka anio ary hifarana ny 2 jona izao ny kongresy maneran-tany faha-19 momba ny toetry ny andro. Handray anjara amin’izany i Madagasikara amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ampitain-davitra ho an’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro fa hanatrika izany mivantana kosa ny solontena maharitry ny Repoblika malagasy eo anivon’ny Firenena mikambana […]
Mois : mai 2023
Fiteam : 4 tapitrisa ny Tandroy mila ravinahitra manerana ny Nosy
Nanatanteraka fihaonambe ny fikambanan’ny terak’Androy (Fiteam) tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy teo. “Tanjona ny fanehoana firaisankina”, hoy ny filohany Rakotondrazaka Ladislas Adrien. Tonga namaly ny antso avokoa ireo terak’Androy ao amin’ ny fitondram-panjakana sy ny mpianatra avy any amin’io faritra io mandranto fianarana eto ary ireo mpila ravinahitra eto […]
Rallye mathématique faha-19 : 244 ireo mpianatra nifaninana
Nofaranana teny amin’ny Lycée Français Ambatobe, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Rallye mathématique” andiany faha-19. Ekipa valo isaky ny sokajy no niatrika ny dingana famaranana, nandraisan’ ny faritra enina anjara, tamin’ ity taona ity. «Fifaninanana matematika famahana olan’ny fiainana andavanandro ny «Rallye mathématique» ka hizarana ny ankizy mpianatra hiaina […]
Fananahana ara-pahasalaman’ny tanora: tokony havaozina ny fandaharam-pianarana
Nikarakara fifanakalozana niaraka tamin’ny tanora 15 solontenan’ny faritra momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora (SRA) ny Coalition droit de disposer de son corps et les droits et santé sexuelle et reproductifs- Forum génération égalité, ny herinandro lasa teo. Nifotoran’ny fifampizarana ny zava-misy momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora any amin’ny faritra sy […]
Liva Ramorasata: andrarezin’ny mozika malagasy
Liva Ramorasata, mpahay kanto manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika, indrindra ny piano. Mpampianatra ary mpikaroka eo amin’ny sehatry ny mozika ihany koa izy, ankoatr’izay. Efa ampolo taonany maro no nanaovany izany asa izany ary mbola mitohy ankehitriny. Maro ny mpitendry mozika manana ny maha izy azy novokariny. […]




