Mois : mai 2023

Mangarivotra – Toamasina : manjavozavo ny nahafaty ny GHC Fataka Denard

Mampiahiahy! Namoy ny ainy tamin’ny fomba somary manjavozavo, ny alin’ny zoma teo, tao Mangarivotra Toamasina, ny zandary iray mitondra ny galona GHC Fataka Dernard, 42 taona (nivoaka tamin’ny andiany faha-67 tao amin’ny EGNA, manan-janaka efatra mianadahy) mpanao basikety malaza ao amin’ny Ascut. Tamin’ny voalohany, lazaina fa maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana […]

Lehilahy nitondra: « rôrô » tanaty tranon’afokasoka

Mahita hirika foana ! Voa­sambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7), teny amin’ny faritra IVO Antoho­madinika Atsimo, afakomaly, ny lehilahy iray niaraka ta­min’ny zava-mahadomelina mahery vaika. Loha­ranom-baovao no nahafantaran’ny polisy momba ny fisian’olona mivarotra sy midoroka zava-mahadomelina mahery vaika eny Antohomadinika Atsimo. Tsy niandry ela ny polisy fa […]

Ambohitrarahaba: mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Nampihoron-koditra ! Niparitaka eran’ny arabe ny atidohan’ny raim-pianakaviana iray voahitsaky ny kamiaobe teny Ambohitrarahaba, afakomaly… Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Ambohitra­rahaba, afakomaly tolakandro. Raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta no maty tsy tra-drano voahosin’ny kamiao. “Nanaraka ilay kamiao avy aoriana izy”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso. Poa toy izay, nidoboka tampoka ka lavo tamin’ny arabe. […]