Fito ny tovovavy mpiadina bevohoka ho an’ny herinandro voalohany, nandritra ny adina ara-panatanjahantena teto Antananarivo, Atsimondrano ary Avaradrano. “Misy ireo nilaza mialoha ny toe-batany tamin’ny tomponandraikitra, teo koa no voatily fa mitondra vohoka mialoha ny hiatrehiny ny adina”, hoy ny mpandrindra ankapobeny ny adina ara-panatanjahantena eto Antananarivo, Raharivelomamonjy Bakoliarisoa, omaly. Telo ny mpiadina teny Atsimondrano, ny efatra kosa teny amin’ny ANS Ampefiloha. Teny amin’ny kianjan’ Alarobia, mpiadina iray tsy salama nentin’ny fiara manokana mpitondra marary teny amin’ny hopitaly. Nomena taratasy ahafahany miatrika ny adina am-bava, ny 21 jolay, avokoa izy ireo.
Enina ny foibem-panadinana eto Antananarivo: Kianja Barea, Saint Michel Itaosy, Amparibe, Betongolo, Alarobia ary ANS Ampefiloha. Samy manana mpiadina manodidina ny 7 300 eo ho eo avokoa ny foibe tsirairay. Noho ny tsy fahampian’ny mpitsabo avy amin’ny fanjakana tokony hizaha fahasalamana mialoha ny mpiadina, toy ny natao tamin’ny adina ara-panatanjahantena BEPC, tsy nisy fizahana tamin’ity ho an’ny bakalorea. Nanao hetsika fanaovam-baksiny ny mpitsabo ka sahirana.
Vitsy ireo tsy tonga nanatrika ny adina ara-panatanjahantena satria tsy afaka manohy ny fanadinana bakalorea intsony ireo tsy manao ny adina ara-panatanjahantena. Tsapan’ny mpiadina ny lanjan’ny adina. Mbola nanamafy ny tomponandraikitra fa tsy azon’ny ray aman-dreny na ireo mpanaraka idirana ny toeram-piadinana isorohana ny fanelingelenana samihafa. Efa namoaka naoty momba izay ny minisitera mpiahy.
Misy filozofia maro koa azo tsoahina amin’ny taranja adina ara-panatanjahantena, hoy ny tomponandraikitra. Ho an’ny taranja iraisan’ny vondrona, hifehezana ny fifanampiana, ho an’ny mandeha irery, hanasongadinany ny tenany ary ny “endurance” hahatsapany ny fahatokisan-tenany.
Vonjy A.




