Bodybuilding – Mada 2023 : niakatra ny lentan’ireo mpifaninana

Nizotra araka ny tokony ho izy, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Mining business Ivato, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ho an’ny Body bulding “Big Mada”. Niakatra ny lenta sy fahaiza-manaon’ireo atleta, araka ny nambaran’ny mpitsara. Nanamafy izany ihany koa ny filohan’ny federasiona ma­lagasin’ny fibatana fonjam-by, Randriamanarivo Harine­lina, izay afa-po tamin’ny ezaka nataon’ireo atleta. Hoje­rena ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, hoy izy, hahafahana mandefa atleta miatrika fifaninanana iraisam-pirenena any ivelany. Toy ny isan-taona, sokajy 6 no nifaninanana, ka anisan’izany ny “Men’s physique”, izay no­rombahan-dRalaiaritiana Léonce avy eto Analamanga. Fanienina misesy izao no nahazoany ny anaram-boninahitra. Ankoatra ny iray minitra fahanginana ho fahatsiarovana ny fahalasanan’i Bigman, tonga nanolotra loka teny an-toerana ny vadiny.
Toy izao ny vokatra rehetra, Miharivola Fanjanirina Nantenaina (Analamanga) no nandrombaka ny «Classique physique». Miss Bikini : Ra­soa­nantenaina Muriella (Bo­eny). (-70kg): Danielson (Vaki­nankaratra). (-80kg): Ramaha­vonjy Tolotriniavo (Analaman­ga). (+80kg): Rako­tondramasy Rolland Célestin (Vakinanka­ratra). Men’s physique : Ralaia­ritiana Léonce (Analamanga).
Taorian’iny fifaninanam-pirenena iny, ny hetsika «body perfect» indray no miandry ny federasiona. Nambaran’ny Tale teknika nasionaly, hifantenana izay solontenantsika hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany any Korea izany.

Mi.Raz

Partager sur: