SOMBIM-BAOVAO

Efa tonga any Tanzania, omaly, ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy, izay hiatrika ny fiodinana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo klioba « Ligue des Champions CAF ». Marihina fa hifanandrina amin’ny ekipan’ny Youngs Africans SC, Tanzania, any an-toerana izy ireo, ny 17 oktobra ho avy izao.

Vehivavy malagasy mpitsara iraisam-pire­nena, taranja baolina kitra, notendrena hitantana ny lalaon’­i Etiopia sy Rwanda, ny 13 oktobra lasa teo, tany Etiopia. Fihaonana tafiditra anatin’ny fihodinanana faharoa amin’ny fifanintsanana lalao Olympika Los Angeles 2028, aty amin’ny faritr’i Afrika.

Mbola mipetraka ho ekipa sangany any Eoropa ny klioba espaniola, FC Barcelone. Mipetraka eo amin’ny laharana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolian kitra « Ligue des Champions LDC 2027 » ity klioba ity. Afakomaly, tany Torkia, lavon’izy ireo, tamin’ny isa 4 no ho 1, ny Galatasaray, klioba torka.

Partager sur: