Erick Manana –Ralah Trio: “Tsy mitovy vanim-potoana fa nampiarahin’ny mozika”

Naharitra telo volana ny andiam-pampisehoana nataon-dry zalahy tany ivelany. Hofaranan-dry Erick Manana sy Ralah Trio eto an-tanindrazana izany, hanehoan’izy ireo ny endriky ny mozika nateraky ny fampiarahana talenta.

“Niahiahy ihany aho tany am-boalohany…Ho voarain’ny mpankafy ve ity fiarahanay ity? Tsy hampatahotra ny mpankafy ve hoe ho lasa jazz? Saingy nirosoanay ilay izy ary vao ny seho voalohany no tontosa dia tsapa fa tian’ny mpijery ary nampangetaheta ireo tsy nahita izany”. Fampidirana nataon’i Erick Manana, mi­kasika ny fiarahany amin’ny Ralah Trio io. Nisy ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny Anta­nimora, omaly. Niresa­hana momba ny fiarahana, fa indrindra mikasika ilay seho tokana izay entin’ireto mpanakanto ireto mamarana ny andiam-pampisehoana voalohany izany.
Hotontosaina ny sabotsy 10 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca ny fampisehoana. “Nandritra ny telo volana izany, nisy daty isaky ny sabotsy. Ankoatra ireo ny nataon-dry zalahy Ralah Trio manokana. Anjaran’ny eto an-tanindrazana io, izay maro ireo naniry ny hahita ny fiarahana. Famaranana ny andiany voalohany amin’ny fihodinana, satria hiatrika ny dingana manaraka izahay”, hoy hatrany i Erick Manana.
Ny fivoahan’ny rakikira io dingana manaraka io… Nanam-potoana nanaovana fandraisam-peo ry zareo, ka hivoaka tsy ho ela ny vokatra. “Io rakikira io indray no hoentinay amin’ny andiam-pampisehoana manaraka eo”, hoy hatrany i Erick Manana

Mozika mivelatra be

Tanora manan-talenta ary mampiaiky izay mahita sy mandre raha i Tsanta Randriamihajasoa. Izay za­vamaneno raisin’ny tanany, toa voafehiny avokoa. Nisa­fidy ny vata maroafitsoka sy ny marovany kosa izy anatin’ity fiarahana ity. Ni­ara-dalana ela taminy i Titan Randriamahasin­dra­zana, mpively amponga ma­roana­ka sy i Ranto an’i Avo Rakoto­malala, mpitendry gitara beso. “Ny taona 2017 izahay no niaraka, namorona ny Ralah Trio. Milalao ny karazana mozika maro sy mivelatra be, ka anisan’izany ny jazz izay nahafantarana anay. Ilay rakitsary “Be­miray” iny no nanombohan’ ny olona nahita anay, ary ny tamin’ny herintaona kosa nantsoin’i Erick Mana­na”, hoy ry zalahy.
“Isaky ny mahavita fampisehoana izahay, hadinon’ny mpijery eo aho fa mitodika any amin’izy telo lahy daholo ny rehetra. Izaho anefa no faly voalohany satria tafita ilay tanjona hampiseho hoe misy tanora malagasy, tsy mitovy vanim-potoana izahay fa nampiarahin’ny mozika. Nolokoin-dry zalahy amin’ny fanaovany azy ireo hirako, ary mampiditra ny azy koa izy”, hoy hatrany i Erick Manana.
Mba hanaingo ny fampisehoana, niantso andriambavilanitra telo ihany koa ry zareo: Manou Radonasoa (mpihira sady mpiangaly ny gitara beso), Vanintsoa (mpihira sady mpitendry valiha) ary i Voara, izay efa hatramin’ny fahakeliny no nampiaiky an’i Erick Manana.

Zo ny Aina

Partager sur: