Tontosaina eny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM Analakely ny fampirantiana sary mampahafantatra ny momba ny fomba malagasy, fitaizana kambana. Mitondra ny lohateny hoe “Fady kambana” ity fampirantiana ity. Manomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 30 jona 2023 ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana izany fomba malagasy izany. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanajana ny zon’ny Ankizy, indrindra ny eto Madagasikara ihany koa.
Angon-tsarin’i Christian Sanna, mpaka sary italianina no handravaka ny efitrano fampirantian’ny IFM Analakely. Ny mahakasika ny fady, amin’ny fitaizana kambana, amin’iny faritra Vatovavy iny no haranty. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny hetsika fanentanana sy fiadiana ho an’ny zon’ ny ankizy malagasy ihany koa izao hetsika izao. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, hanentana sy hanaitra ny sain’ny tomponandraikitra ara-panjakana sy ara-drazana ny marimaritra iraisana mahakasika io fomba io no tanjona ao anatin’izao fampirantiana izao ankoatra ny maha fampirantiana ara-javakanto azy.
Lin (Mpianatra asa)




