Mpianatra 25 teo anivon’ny sampam-piofanana Farmasianina, avy amin’ny Anjerimanontolo Ankatso, nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo. Notanterahina tetsy amin’ny Carlton Anosy ny lanonana. Nitondra ny anarana “Andry Aina”, andiany fahavalo izy ireo. Ankoatra ny lanonana famoahana ireo mpianatra, nankasitrahana manokana ihany koa ireo mpampianatra nandritra izany.
Mbola olana eto amin’ny Nosy ny fahavitsian’ny mpianatra mivoaka ho farmasianina, raha ny fanazavana. “Mbola ezaka lehibe ny hameno ireo farmasianina manerana an’i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny andiany fahavalo tamin’ireo mpianatra nivoaka, Andriamalala Miarisoa. Ankoatra izay, tsy mahafantatra ny tena anjara asan’ny farmasianina ihany koa ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy, raha ny zava-misy. Nilaza izy fa mpivarotra fanafody no ahafantaran’ny olona azy ireo. Nohamafisiny fa miteraka lesoka eo amin’ny fahasalam-bahoaka ny zava-misy toy izany.
Miandraikitra asa maro
“Maherin’ny 400 ireo farmasianina eto amin’ny Nosy”, hoy hatrany izy. Miasa eo anivon’ny fanjakana ny 20 ary amin’ny sehatra tsy miankina avokoa ny ambiny. Misy ny miasa eny anivon’ny farmasia an-drenivohitra sy ambanivohitra, amin’ny laboratoara… “Tokony hiezaka ho tia fianarana ny ankizy amin’izao fotoana izao satria manampy amin’ny fitadiavana asa nirina sy mifandraika amin’ny talenta izany”, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy tokony hanjifa fanafody eny anivon’ny tsena kely sy eny an’elakela-trano ny vahoaka rehefa marary fa tokony hanatona toeram-pividianana fanafody natokana amin’izany. Mba hitsinjovana ny fahasalamana.
Mino (mpianatra asa)




