Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) – Handball : hiatrika fampivondronana ny Akio de Madagascar

Hiditra ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), ny Akio de Madagascar, sokajy senior, vehivavy. 22 mirahavavy ireo hiatrika izany mandritra ny tapa-bolana, eny Vontovorona. Fivondronan’ny teknisianina no hitarika izany.

Taorian’ny fahombiazana azon’ny Akio de Mada­gas­car, sokajy vehivavy cadette sy junior, ka nahazoan’i Madagasikara ny tapakila hiatrehana ny IHF Trophy kaontinantaly, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny faritra fahafito amin’ny “IHF Trophy 2023”, natao tatsy Afrika Atsimo, ny volana mey lasa teo. Mitohy hatrany ny asa ho an’ny Federasiona malagasy (FMHB). Ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), indray ny dingana manaraka. Fantatra ary izao fa hiditra amin’ny fampivondronana voalohany ny Akio, senior, vehivavy manomboka anio talata. Hotontosaina, eny amin’ny kianja mitafon’i Vontovorona izany ka hanaraka izany ireo mpilalao 22 voafantina. Hitarika izany, ireo fivondronan’ny teknisianina eo anivon’ny federasiona. Haharitra herinandro roa izany ka hifantoka amin’ny fanomanana ny tanjaka ara-batana aloha izany vao hiditra ao anatin’ny taktika. Efa na­hatontosa ny azy ny Akio lehilahy,ny volana marsa lasa teo. Raha tsiahivina, laharana fahatelo no nisy an’i Mada­gasikara nandritra ny lalaon’ny Nosy 2015, notanterahina tatsy La Réunion, izany hoe nandrombaka medaly alimo. Tanjona amin’ity ny hahazoana ny medaly volamena, indrindra fa eto Madagasikara no hanaovana ity andiany faha-11 ity. Mandra-piandry izany, hotanterahina any Mahajanga, ny 3 ka hatramin’ny 13 aogositra, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny minime, cadet, junior, lahy sy vavy. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny taranja handball izany. Any Antsiranana ny an’ny senior lahy sy vavy, ny volana oktobra, ka hisolo tena ny Malagasy eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompondaka (CCOI 2023) izay voalohany eo. Rodrigues no hampiantrano izany fihaonana izany, ny volana novambra ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: