Polytechnique 50 taona : 300 isan-taona ireo injeniera nivoaka

Nihaona teny By pass ireo fianakaviambe (mpampianatra, mpianatra, mpiara-miombon’antoka…) rehetra eo anivon’ny Polytechnique Vonto­vorona, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hampisehoana ny firaisankina eo amin’izy ireo alohan’ny hankalazana ny faha-50 taonan’ny sekoly, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.
« Mahatratra 300 isan-taona ireo injeniera anatin’ny sampam-piofanana 16, mi­voaka eny anivon’ny se­koly hatramin’izay nisiany », hoy ny lehiben’ny komity misahana ny fitsipi-pifehezana eny anivon’ny sekoly, Aina Koera. Miava­ka ny sekoly amin’ny lentan’ny fampianarana sy ny lalam-piofanana ngeza indrindra manerana ny Nosy. Ani­san’ny manofana ireo ankizy hanana diplaoma mikasika ny taotrano (BTP) izy ireo, raha oharina amin’ny sekoly hafa. Miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’ antoka maro sy ny minisitera ary ireo teknisianina maro samihafa izy ireo ka nahavitana izany.
Ankoatra izay, mandeha tsara ny fampianarana eny ani­von’ny sekoly amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana. An-dalam-panamboarana ny efitrano may eny an-toerana ihany koa ny minisitera taorian’ny fahamaizan’ny bloc 15, ny janoary lasa teo. Hosokafana ny 28 jolay eny anivon’ny sekoly ny ivon’ny fankalazana ny faha-50 taona.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: