Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Vondrona vonjy voina Ivato (Corps de protection civile – CPC) ireo fitaovana vaovao vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika malagasy sy ny Tafika frantsay.
Nanolotra ny fitaovana ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guillois. Nandray izany kosa ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Heritiana sy ny eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy. Ny fahazoana izao fitaovana izao, noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny “sécurité civile” frantsay. Isan’ireo natolotra tamin’izany ny fitaovana entina miasa rehetra misy haintrano sy fihotsahan’ny tany ary ny famonjena ain’olona. Nisy koa ireo fitaovana ho an’ny fiara fitondrana marary. Ankoatra izany, nametrahana herinaratra azo avy amin’ny masoandro koa eny an-toerana. Mialoha ny nanolorana ireto fitaovana ireto, nisy ny fampiofanana miaramila mpamonjy voina ka mpampiofana manokana avy any Frantsa no tonga eto an-toerana mba hanamafy ny traikefa sy fampianarana ny fomba fampiasana ireto fitaovana vaovao ireto. Tafiditra tao anatin’ny fampiofanana ny famonjena voina rehefa misy haintrano, vonjy aina, doro tanety ary ny mety ho fihotsahana tany na trano mirodana. Nahitam-bokany teo amin’ny lafiny fandrosoan’ny Vondrona vonjy voina ny Tafika malagasy. Lasa miitatra manerana ny faritra maromaro ny toby vonjy voina na “unite protection civile” eto Madagasikara izay mifanakaiky rahateo amin’ny fanitsian-drafitra. Nankasitraka manokana izao fanohanana izao ny kaomandin’ny CPC Ivato, ny Kly Andriamitantsoa Ny Onja Samoela satria hanampy amin’ny famonjena ireo mpiara-belona izany raha sendra misy loza.
Jean Claude




