Vovonan’ny sekoly tsy miankina: “Tsy voaenjika ireo mpanao hadisoana amin’ny fanadinam-panjakana”

Hiroso amin’ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, ny 20 jona ho avy izao, ho an’ity taom-pianarana ity. Manoloana izany, naneho hevitra momba ny dingana fanomanana fanadinana ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly.

Tsy vitan’ny fanjakana samirery ny fanomanana ary rehefa misy ny lesoka hita, ezahina ny hisorohana azy amin’ny ho avy. Diso ny laza adina fizika ho an’ny sokajy S, nandritra ny bakalorea 2022 satria tapaka teny antenantenany vokatry ny fandikana laza adina avy any ivelany. Nomena “bonus” isa 3 avokoa ny mpianatra ho fanonerana ilay diso ka nampiakatra be ny salanisa ho an’ny taranja fizika, hoy ny fanazavany.
“Faharoa, tsy misy fepetra azo raisina mialoha ve hisorohana ny fivoahan’ny laza adina amin’ny fanadinana BEPC sy bakalorea miseho saika isan-taona?”, hoy ny fanontaniany miantefa amin’ny tomponandraikitra. Ny zava-misy eto amin­tsika, tsy voaenjika ilay nanao fahadisoana tamin’ny laza adina diso sady tsy voasazy koa ireo loharanon’ny fivoahan’ny laza adina na fantatra mazava aza. Ankoatra izay, mbola olana ny tambin-katsembohana, tsy misy mijery mihitsy, indrindra ireo mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy mi­ankina nandray anjara tamin’ny fampandehanana ny fanadinana. Ny talen-tsekoly iasany no miantoka ny saran-dalana sy ny solon-tsakafo mandritra ny asa.
Eo amin’ny fampandehanana ny fanadinana ihany no mandray anjara ny ankamaroan’ny mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina. Mandritra ny famolavolana laza adina, fitsarana ny kopia, fandikana ny naoty anatin’ny ordinatera, tsy ta­fiditra ao mihitsy ny sehatra tsy miankina. Lasa miteraka olana fototry ny kolikoly samihafa izany ary manana porofo ny Vovonana, araka ny fanamarihany. Manao antso amin’ny minisitera izy ireo hanome lanja ny fanadinam-panjakana ka mila hentitra amin’ny fikarakarana rehetra. Misy ny vondrom-panabeazana sasany eken’ny daholobe eto an-toerana sy any ampita ny lentan’ny fanadinana karakaraina ka dia ho latsan-danja amin’izany ve ny an’ny fanjakana?

Vonjy A.

Partager sur: