ACMIL : fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra

Notontosaina, ny talata teo, tao amin’ny place d’armes-n’ny Akademia Miara­mila (Acmil) Antsirabe, ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra miisa 114 ao amin’ny andiany mivantana faha-46 (La 46è Promotion) sy ny andiany manokana faha-26 (26è PFMCS) ao amin’ny Acmil. Misokajy ho toy izao manaraka izao izy ireo : miisa 66 ireo avy ao amin’ny andiany mivantana faha-46 raha 48 isa kosa ireo avy ao amin’ny andiany manokana faha-26 (26°PFMCS). Mpianatra niezaka sy nilofo mafy izy ireo ary nanaraka fiofanana ara-teknika fototra maha-miaramila na ny Fetta “Formation elémentaire technique de toutes armes”. Naharay antsakany sy andavany ny fitaizana nampitain’ireo zokiny ireto andiany ireto. Naharitra ka tafita soa aman-tsara tamin’izao dingana lehibe izao. Nanokatra ny fotoana tamin’ny fisafoana ny andian-tafika ny kaomandin’ny Acmil, ny Jly Pikulas Démosthène. Na­nakatona ny lanonana ara-miaramila ny matso notari­hin’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fanofanana sy fiofanana narahin’ireo manamboninahitra mpanabe sy ireo mpianatra ho manamboninahitra manaraka fiofanana ao amin’ny Acmil.

Jean Claude

Partager sur: