Teny malagasy: mifandimby manolo-kevitra ny Akademisianina

Hotontosaina, anio tolakandro, eny amin’ny Lapan’ ny Akademia Malagasy, Tsim­bazaza, ny fivorian’ny sokajy haikanto sy hailaza sy ny sokajy haifiaina sy haifitondra. Mandritra izany fivoriana izany no hanatanterahana ny famelabelaran-kevitra sy dinika samihafa. Anisan’ny hitondra ny famelabelaran-kevitra amin’izany Ralambomahay Toavina sy Edouard Thomé de Charaix.
Dinika sy famelabelaran-kevitra entina hanatsarana ny teny malagasy no tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Aka­demia Malagasy anio. Anisan’ ny tafiditra ao anatin’ny lahadinika mandritra ity fivoriana ity ny vela-kevitra entin’i Edouard Thomé de Charaix, mitondra ny lohateny hoe «Ny zava-manahirana ny vahiny amin’ny teny malagasy». Ankoatra izay, dinihina mandritra izany ihany koa ny lohahevitra “Tolo-kevitra fa­nolorana lasi-pitondrana mety hahasoa ny firenena» aroson-dRalambomahay Toavina.
Mihamaro hatrany ny fa­melabelaran-kevitra tontosain’ ny Akademisianina amin’izao. Ny Akademia Malagasy izay ao anatin’ny fananganana politika vaovaon’ny teny.

Lin (Mpianatra asa)

 

Partager sur: