Hamonjena ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo: hanainga anio ny kamiao dimy ho any Atsimo Atsinanana

Ankoatra ny tohana entin’ny fanjakana ho an’ny traboina sy ny vahoaka marefo, manao
tan-tsoroka koa ny sehatra samihafa hanampiana azy ireo.

Hanainga anio ny kamiao dimy avy ao amin’ny BNGRC hitondra fa­nam­piana ho an’ny olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo Atsinanana, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, kolonely Andriakaja Elack Olivier, omaly, teny Andrai­na­rivo. Mbola takaitran’ny rivodoza Freddy nandrava ny voly sy ny fihariana samihafa ny tsy fanjarian-tsakafo mahazo ny ankizy any, amin’izao fotoana izao. Faritra efatra no hotoha­nana vonjimaika: Vatovavy sy Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary Asimo Andrefana fa any Atsimo Atsinanana no hisantarana azy, anio. Nisitraka orana ny faritra Atsimo Andrefana ka nisy ny vokatra azo antenaina amin’ny fararano.

Nahazo fanampiana avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany eto Madagasikara ny BNGRC, omaly, ka notsinjaraina eny amin’ny vahoaka mila azy avy hatrany izany. Efa manana ny lamina teknika hitondrana ny asa ny mpiasan’ ny BNGRC. Vary 370t, menaka 35 000 l, voamaina 120t ary sceau 3 5000 no noraisin’ny tale jeneralin’ny BNRGC izay nisaotra ny fiangonana satria matetika manome fanampiana izy ireo.

“Tsy ny ara-panahy ihany no karakaraina fa rehefa misy ny voina, tonga izahay manampy amin’ny alalan’ny BNGRC”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny fiangonana, Rakoto­vao Jean Michel. Tsy miandry antso avy amin’ny tomponandraikitra ny fiangonana fa tonga raha vao maheno vaovao fa sahirana ara-tsakafo ny vahoaka any amin’ny ilany atsimo atsinanana iray manontolo iny. Efa manao ezaka ny fanjakana satria hitodika amin’ny lafiny sosialy avokoa ny fanampiana, araka ny toromariky ny filohan’ ny Repoblika.

Vonjy

Partager sur: