Manana vina ny hampiroborobo ny zavakanto sy ny kolontsaina ny tomponandraikitra amin’izany eto amin’ny Tanànan’Antananarivo. Izany no nanaovana izao hetsika izao, hanentanana ny vahoaka eny ifotony, indrindra ny ankizy sy ny tanora.
Tontosa, omaly, teny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fifaninanana « Théâtre en rire ». Hetsika nokarakarain’ ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina, eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa amin’izany. Ireo ankizy sy tanora avy amin’ny boriborintany enina misy eto Antananarivo no nifaninana tao anatin’izany, ary ny teatra no nifaninanana. Nitsarana manokana ny mpandray anjara teto ny votoatin’ny teatra nataony sy ny maha teatra azy, indrindra ny lafiny fampihomehezana. Miray vina ny mpikarakara amin’ny fametrahana ny teatra amin’ny toerana sahaza azy, ary koa hampiroborobo ny zavakanto sy ny kolontsaina.
Ambohipihaonan’ny mpankafy teatra ny teny amin’ny Tranompokonolona Analakely, omaly tolakandro. Hetsika sady fialamboly no fifaninanana no natolotry ny fitaleavana misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina, eo anivon’ny Kaominina Antananarivo, niaraka tamin’ny fikambanana Manda mpikabary sy ny Sekoly Ny Zoko. Navitrika ary samy niezaka nanome ny tsara indrindra avy aminy avokoa ireo ankizy sy tanora mpifaninana, avy amin’ny boriborintany enina, avy eto Antananarivo. Vokatr’izany, seho miavaka sy nahafinaritra ary tena nampiala voly tokoa no nasehon’izy ireo ny mpijery izay tonga teny. Amin’ny maha “Théâtre en rire” azy, singa sy fepetra nitsarana ny seho nataon’ny mpandray anjara ny fampihomehezana.
Anisan’ny nasongadin’ny mpandray anjara tao anatin’ny seho an-tsehatra ny fanentanana ny olona ho tia sy hankafy ny zavakanto. Tafiditra ao anatin’izany ny fanentanana hamaky boky, hahafantatra ireo kolontsaina, ny tontolon’ ny zavakanto misy eto Madagasikara. Anisan’ny ezaky ny tomponandraikitra amin’izao ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny zavakanto. Izany indrindra no hisian’izao fifaninanana ho an’ny isaky ny boriborintany izao. Raha tsiahivina, efa nisy ny atrikasa sy fampiofanana momba ny teatra talohan’izao fifaninanana izao. “Anisan’ny fanabeazana ny zavakanto sy ny kolontsaina. Izany indrindra no nanaovana izao hetsika izao hisarihana ny ankizy sy ny tanora mba tsy hirona any amin’ny zava-mahadomelina”, hoy ny tomponandraikitra mpikarakara.
Lin (Mpianatra asa)




