Nikarakara hetsika fanentanana sy fampahafantarana ny zo sy fiarovana ny ankizy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Natao tetsy amin’ny Graines de Bitume Soanierana ary mbola hotohizana eny amin’ny Centre Manda eny Tsiadana. Tanjona ny hahafahan’ny ankizy misitraka ny zony feno, raha ny fanazavana.
“Azo fehezina ao anaty foto-kevi-dehibe 4 ny zon’ny ankizy: manan-jo hiaina sy hivelona, hampandraisan’andraikitra, jerena ny tombontsoany ary harovana amin’ny fanavakavahana izy ireo”, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina.
Mifandray tendro amin’ny tetikasa Sandratra ny hetsika. Mba hamerenana ny ankizin’ ny lalana eny anivon’ny fianakaviany. Eo Koa ny fandefasana azy ireo eny amin’ny toby fandraisana azy ireo.
Maro ny hetsika efa natao talohan’izao, toy ny fampahafantarana ireo karazana herisetra mianjady amin’ny ankizy. Hetsika niarahana tamin’ny ministeran’ny Mponina sy ny ECPAT France. Ankoatra izay, ny atrikasa famakiam-boky sy haitao ara-kajy mirindra, niarahana tamin’ny Orange Solidarité Madagascar. Nanomboka ny alatsianainy teo ny hetsika ary hifarana ny zoma izao, eny amin’ ny Lapan’ny Tanàna Analakely.
Mino (mpianatra asa)




