Anisan’ireo nandray ny iraky ny Frankofonia (OIF), i Micheline Calmy-Rey, mandalo eto amintsika ny avy amin’ny HVM, tarihin-dRajaonarimampianina Hery, tamin’ity herinandro ity, teny Andraharo. Nitondrany ny heviny tamin’izany ny momba ny fifidianana.
“Iaraha-mahita ny lesoka sy ny tsy fahatomombanana amin’ ny fikarakarana ny fifidianana, tokony hotanterahina afaka volana vitsy”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany ny olana eo amin’ny tetibola ho an’ny fifidianana, ny lisitry ny mpifidy ary koa ny tsy mbola fahafantarana ny tetiandrom-pifidianana, hatramin’izao. Nohitsiny fa mitanila ny fampiharana ny lalàna eo amin’ireo mpisehatra politika ary voahosihosy ny demokrasia. Naneho ny fahavononany miaraka amin’ ny antoko HVM ity filoha teo aloha ity ny amin’ny hirosoana amin’ny fifidianana. Notakiny anefa mba hadio sy mangarahara ary eken’ny rehetra sy manaja ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna izany.
Fifampidinihan’ny hery velona rehetra
Mbola nanao antso avo ity mpitarika ny HVM ity fa ilaina ny fifampidinihana eo amin’ ny hery velona rehetra. “Hikaroham-bahaolana manoloana ny zava-misy izany ary hisorohana ny mety ahatongavan’ny krizy indray ary koa ny ahafahana mikarakara fifidianana demokratika”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny efa nandray ity iraky ny OIF ity ny eo anivon’ny Ceni sy ny HCC ary koa ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ny filoha teo aloha, Ravalomanana.
Synèse R.




