Fizakana zom-pirenena Frantsay : mangata-panazavana amin’ny filoha Rajoelina ny MMM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Ma­la­gasy miara-miainga, omaly, manoloana ny fiparitahan’ny antontan-taratasy, manamarina ny fizakan’ny filohan’ ny Repoblika, ny zom-pirenena Frantsay. “Miantso am-panajana an’Andriamatoa Andry Rajoelina hitondra fanazavana feno izahay sa­tria voatohintohina ny fiandrianam-pirenena ary voafi­ta­ka tanteraka ny mpiray tanindrazana”, hoy ny fa­nam­­barana. Nanterin’ny MMM fa manaja ny fahafahan’ny tsirairay hisafidy ny zom-pireneny izy ireo. Natao ho an’ny mizaka ny zom-pirenena Malagasy irery ihany ny asan’ny filoham-pirenena, araka ny voalazan’ny andininy faha-46 amin’ny Lalàmpanorenana, araka ny fanambarana hatrany. “Fire­nena voazanaka efa nahazo ny fahaleovantenany i Ma­dagasikara, ka ny fepetra voalohany indrindra ny tsy hizakan’ny filohan’ny Repo­b­lika ny zom-pirenena vahiny. Manana adidy eo anatrehan’ny lalàna velona sy ny tantara ny Andrimpanjaka­na mahefa handray ny fepetra mba hiverenan’ny fiandrianam-pirenena”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: