“Inona moa no krizy politika eto? Tsy Tetezamita no laharam-pahamehana, raha tena tia tanindrazana sy mijery ny vahoaka. Araho ny lamina araka ny lalàmpanorenana. Fotoana fohy sisa ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Firosoana amin’ny fifidianana no vahaolana”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny IFI, ny pasitera Razafindramanitra Nestor.
Raha mitady fahefana : tany demokratika ny eto, samy manao hetsika na ny mpitondra na ny mpanohitra. Efa asany ny an’ny mpitondra, fa tsy mitovy amin’ny an’ny mpanohitra. Ny fanjakana mahalala ny ambana sy ny filaminana hahazoana mampandroso ny fitoniana.
Misy olana politika ny fitrangana Tetezamita, ary misy ny traikefa amin’izany. Hafa ny fiaraha-mitantana tamin’ny famaranan’ny filoha Rajaonarimampianina ny fotoam-piasany, nidirana tamin’ny governemanta iraisana. Rafitra hafa ny hoe Tetezamita toy ny 1991 na ny tamin’ny 2009. Be dia be ny tahirin-kevitra tamin’ireny, fa sarotra koa ny fahasahiranana tamin’ny volam-panjakana. Fizarana seza no fanalahidiny.
Ilaina ny fitonian’ny mpanao politika
“Ianareo mpanao politika, malalaka ny fanehoan-kevitrareo. Aoka ho tony isika, tsy hisetrasetra amin’ ny manampahefana samihafa ny mpanohitra. Indrindra amin’ny mpitandro filaminana manao ny asany”, hoy ny antsony. Amin’ny maha mpitondra, miezaka koa ny mpitondra mametraka hatrany ny tany demokratika.
R. Nd.




