Telma Coupe 2023 : hiditra ny ampaha-16n-dalana

Hotanterahina manomboka ny sabotsy 24 sy ny alarobia 28 jona, ny lalao ampaha-16n- dalana ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Telma Coupe 2023 », taranja baolina kitra. Hiakatra kianja amin’io fotoana io ireo ekipa mifanintsana amin’ny « Orange Pro League », anisan’izany ny Elgeco Plus, ny CFFA Ando­haranofotsy, Uscafoot, AS Fanalamanga Football, Cosfa. Tsiahivina fa ny ekipan’ny Elgeco Plus no tompondaka farany tamin’ity fifaninanana ity, raha toa ka ny Fosa Junior no tompon’ny amboara lefitra.

Fitia (Mpianatra asa)

Ny fandaharan-dalao ho an’ny eto Antananarivo :

Sabotsy 24/06/2023
Kianja Carion :
08 ora : Uscafoot (OPL) vs FC Rouge (ALFA)
10 ora : CFFA-Andohara­no­fotsy (OPL) vs NET FOOT (ALFA )
12 ora : Elgeco PLUS FC Madagascar (OPL) vs Kinga Sport (ALFA)

Alarobia 28/06/2023
Kianja Carion :
10 ora : AS Fanalamanga Football (OPL) vs CFFA Espoir ( ALFA )
12 ora : Cosfa Football (OPL) vs EFCA Mi 20 (ALFA)

Partager sur: