Bakalorea 2023 : mitoka-monina ny mpanomana laza adina

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fitokana-monina na “conclave”, araka ny fandaharam-potoana sy ny lamina napetraky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hana­tanteraka «quarantaine», ara­ka izany, ireo mpanomana ny laza adina amin’ny fanadinana bakalorea. Toy ny fanao isan-taona, misy ny fivoriana iarahan’ny minisitry ny Fampia­narana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice, sy ireo tomponandraikitra, ifampizarana ny toromarika rehetra hanomanana sy hiarovana ny laza adina. Zava-dehibe koa ny fanaraha-maso ny asa rehetra.
Mpanomana laza adina 100 avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny minisiteran’ny Fampianarana teknika no mifarimbona amin’ny asa. 66 mpandrafitra sy mpandrindra ny laza adina, 34 mpandraharaha ary zandary 11. Hatra­min’izao, voahaja tanteraka ny fe-potoana sy fandaharam-potoana mahakasika ny fanomanana ny fanadinana bakalorea. Nohamafisina ny fepetra ara-pahasalamana, ny fandriampahalemana ho an’ireo mpikarakara laza adina sy
ny toerana hanatanterahana izany. Mifanampy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny zandarimariam-pirenena manara-maso akaiky sy miantoka ny fandriampahalemana mialoha, mandritra ary ao aorian’ny fanadinana.

Vonjy

Partager sur: