Ho fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena, nanolotra fanomezana (nahitana arendrina, sakafo, boky…) ho an’ny ankizy 2 000 ny orinasa Orange Madagascar manerana ny Nosy miaraka amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Mponina any an-toerana. “Ankizy 1 000 anatin’ny faritra 13 ny iantefan’ny hetsika, ankoatra ny eto Antananarivo, ho fanamarihana ny Andro ho an’ny firaisankina ho an’ny ankizy, tafiditra amin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy”, hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord.
Nisitraka fanomezana koa ny ankizy marary eny amin’ny hopitaly efatra eto Antananarivo sy ny zaza teny Ambohidratrimo sy Ankorondrano.
Nandritra ny volana jona, natokana ho an’ny ankizy, maro ny hetsika nanamarika izany, nandraisan’izy ireo anjara mavitrika tamin’ny vaky boky, fanaovana sary indrindra ho an’ireo zaza raisina an-tanana eny anivon’ny akany sahanin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Mponina. Nofaranana omaly, teny amin’ny Parvis Analakely, ny Andron’ny firaisankina ho an’ny ankizy. Nanambara ny lefitry ny ben’ny Tanàna misahana ny raharaha sosialy fa efa mpiara-miasa amin’ny kaominina ny orinasa Orange sy ny Orange solidarité, toy ny tamin’ny fananganana toeram-pandraisana ny ankizy niharan’ny herisetra. 1 000 ireo nahazo fikarakarana manokana rehefa nandalo teny. Efa mihodina koa ny ivontoerana fandraisana ny antso maimaimpoana 147 hitorohana ireo trangana herisetra mianjady amin’ny zaza.
Vonjy A.




