Antoko politika miisa sivy: miantso ny hiarovana ny soatoavina repoblikanina

Miantso ireo Andrimpanjakana, fiangonana, raiamandreny ara-drazana, antoko politika sy fiarahamonim-pirenena ary ny rehetra hijoro sy hiaro ny soatoavina maha Repoblika“, hoy ireo antoko miisa sivy, omaly, ahitana ny HVM, ny MMM, ny MTS, ny MFM… izany. Anton’izany ny fanahian’izy ireo ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna, mitarika tsy fahamarinan-toeran’ny mpitondra. “Nihamafy izany tsy fahatokisana izany, taorian’ny nivoahan’ny antontan-taratasy manamarina ny fangatahan’ny filoha Rajoelina zom-pirenena hafa, fony izy mbola filoham-panjakana“, hoy izy ireo. Nohitsin’ireto antoko ireto fa famitahana vahoaka no niakarany eo amin’ny fitondrana rehefa nafeniny izany tamin’ny nilatsahany hofidina ny taona 2018. “Tsy tokony hoekena intsony izany ny haha kandidà azy noho ny tsy fahafenoany ny fepetra takin’ny Lalàmpanorenana. Efa very ny zom-pirenena maha Malagasy azy“, hoy izy ireo. Tsy tokony hitarika ny matso sady tsy filohan’ny filankevitra ambony ho an’ny mpitsara sy ho lehibe faratampon’ny Foloalindahy intsony koa. Mampanahy ireo fanapahan-kevitra noraisiny amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy ka manamafy ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana izany, araka ny nambaran’izy ireo.

Nitodika amin’ny iraisam-pirenena ireto antoko ireto ny amin’ny tsy tokony hanohanana izao fitondrana izao. “Tsy ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka ny fanapahan-kevitra raisiny…”, hoy ihany izy ireo.

Synèse R. 

Partager sur: