CUA-SMA…. Notokanana ny STBV ao amin’ny EPP Antanjombe Avaratra

Notokanana omaly, ny toerana fanodinana tay ho lasa akora azo ampiasaina (STBV, Station de Traitement des Boues de Vidange), ao amin’ny EPP Antanjombe Avaratra – Ambohimanarina, Boriboritany faha-6.

Tanjona ny hahafahana mamatsy « biogaz » sy herinaratra ho afaka hampiasain’ny « cantine »-n’ ny EPP. Mamatsy zezika ahafahana mikarakara ny fambolena an-tsekoly ihany koa ity toerana ity mba hahafahana manampy ny sakafon’ireo mpianatra ao amin’ny EPP.

Notokanana omaly koa ny toerana fisakafoan’ireo mpianatra ao amin’ny EPP. Niara-nisalahy tamin’izao tetikasa izao ny CUA, izay nanome fiofanana tamin’ny fambolena an-tanàn-dehibe sy ny fikarakarana zaridaina.

Ny SMA izay misahana ny toerana fanodinana tay ho lasa angovo sy zezika na ny STBV, ny SIMIRALENTA Genre et Action izay nanome fiofanana mahakasika ny fanasongadinana ny miralenta.

Manana STBV 5 ny CUA, tanjona ny fanamafisana ny tetikasa fanodinana tay ho lasa angovo azo ampiasaina. Eo koa ny fanahenana ny fiparitahan’ny maloto eny rehetra eny ary ny famatsiana zezika ny fambolena an-tsekoly.

Tatiana A

Partager sur: