Fotodrafitrasa hiahiana ny tontolo iainana: nitaky ny hampitomboana ny famatsiam-bola ny filoha

Nandray anjara tamin’ny dinika momba ireo fotodrafitrasa maitso aty Afrika “Alliance pour les infrastructures vertes en Afrique -AGIA”  ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, tany Paris. Hentitra ny nambarany tamin’izany.

Anisan’ny firenena Afrikana voalohany nankatoa ny politika nasionaly momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy nahavita nandrafitra ny “Plan National d’Adaptation” i Madagasikara, araka ny nambarany. Teo koa ny antso avo nataony ho an’ny AGIA. “Tokony hampitomboina ny famatsiam-bola ho an’ireo fotodrafitrasa miahy ny tontolo iainana aty Afrika. Aza adinoina koa fa eo ny trosan’ireo firenen-dehibe tena mpandoto tontolo iainana, nefa tsy mbola naloan’izy ireo hatramin’izao. Mitentina hatrany amin’ny 100 miliara dolara izany“, hoy izy.

Nanterin’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny anjara fitenenany ireo vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro teto amintsika. Teo koa ny ezaka rehetra efa nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fampiasana ireo fotodrafitrasa miahy ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fotodrafitrasa mamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina.

Tetikasa Volobe sy ny any Sahofika

Noraisiny ho ohatra amin’izany ny tetikasa Volobe sy ny tetikasa Sahofika. Hanampy hatrany amin’ny 320MW amin’ny famokarana herinaratra eto amintsika izany raha atambatra.

Nitarika sy nanelanelana ny dinika ny filohan’ny Bad, i Akinwumi Adesina. Anisan’ny nandray anjara kosa ny filohan’i Kaomoro, Ghana, Maoritania sy ny praiminisitra avy any  Côte d’Ivoire. Tanjona amin’ny fihaonana  ny hikaroham-bahaolana mahomby amin’ny fahazoana ireo famatsiam-bola. Tafiditra ao anatin’izany  ireo Nosy marefo toa an’i Madagasikara.

Synèse R.

Partager sur: