Fetin’ny fahaleovantena : nampiray fo ny Malagasy !

Tia tanindrazana ny Malagasy ! Tsy nahasakana azy ireo tsy hifety ny resaben’ny mpanao politika. Nizotra tanaty filaminana ny hetsika rehetra manerana ny Nosy.

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena sy ny nijoroan’ny foloalindahy malagasy. Nanatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry sy ny vadiny. Nano­trona azy ireo ny manampahefa sy olona manan-kaja maro samihafa. Toy ny fanao isan-taona, nentina nanamarika izany ny hetsika kolontsaina sy fanatanjahantena samihafa. Niavaka ny matso lehibe niarahana tamin’ny foloalindahy. « Malagasy miray hina, Madagasikara mandroso », io no tara-kevitra novoizina nandritra ny fankalazana.
Nahatratra 3 719 ny mpanao matso. Nahitana ireo an­dian-tafika sy vondrona samihafa. Tafika, zandary, polisy, polisy kaominaly, mpiasan’ny fadin-tseranana, polisy monisipaly, lehiben’ny ala, ary ny mpi­andry fonja. Nisy ny fampisehoana ny fitaovan’izy ireo sy ny fampahafantarana ny an­dian-tafika na vondrona tsirairay.
Ankoatran’ny matso, nisy ny fampisehoana fahaiza-manao sy traikefa. Teo ihany koa ny fampisehoana fihetsika mirindra nataon’ny avy ao amin’ny Sekoly miaramilam-pirenena (SEMIPI) sy ny Akademia Miaramila (ACMIL) ary ny seho nataon’ny mpianatry ny ENSOA sy ny polisy mitondra kodiaran-droa.
Namaranana ny fotoana ny tapany maraina, nisy ny dihy mirindra, fampisehoana hakingana, fampisehoana niarahana tamin’ny mpanao hay ady toy ny Wushu sy Taek­wondo. Fampisehoana goavana niarahana tamin’ny mpahay kanto, malaza ankehitriny no nanohizana ny hetsika ny tolakandro, ary nofaranana tamin’ny afomanga izany rehefa alina ny andro.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: