Matso lehibe: tsy nandray anjara ny Tafika frantsay

Anisan’ny nandrasan’ny mpanatrika sy ny mpanara-baovao ny fahatongavan’ny Tafika frantsay avy any amin’ny FAZOI, omaly, teny Ma­ha­masina. Tsy tonga anefa izy ireo noho ny antony izay tsy nampahafantarina ny mpanatrika. Nilaza ny Jly Andria­ma­simanana William, tomponandraikitry ny filaminana eo anivon’ny komitim-pirenena mpanomana ny fankalazana ny fetim-pirenena (CTNO), fa tokony ho anisan’ny nandray anjara izy ireo.
Loharanom-baovao hafa no nanambara fa nisy ny fivoriana niarahan’ireo manamboninahitra ambony eto amin’ny firenena, ny alahady hariva. Izy ireo no nanapaka ny tsy ahafahan’ny Tafika Frantsay mandray anjara amin’ny ma­tso lehibe. Efa nanatrika ny famerenana farany, nialoha ny matso izy ireo
Tsy mampiova ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika frantsay sy Malagasy izany. Ara­ka ny nambaran’ny tomponandraikitra, handefa andian-tafika handray anjara amin’ny matso fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay ny fitondrana malagasy.
Fiaraha-miasa maro no efa nifanaovan’ity andian-tafika Frantsay ity sy ny Tafika Malagasy. Anisan’izany ny fiofanana sy fizarana traikefa ary fampitaovana ataon’ity an­dian-tafika ity ho an’ny Tafika Malagasy isan-tsokajiny.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: