“World Cup U19”- Ampahavalon-dalana: I Espagne na i Frantsa no miandry ny Ankoay

Fandresena voalohany ary manan-tantara eo amin’ny tontolon’ny basikety malagasy, ny nandresen’ny Ankoay ny ekipan’i Liban, ny alahady teo, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19. Fifaninanana tontosaina any Debrecen Hongrie.

Laharana fahatelo vonjimaika, miaraka amin’ ny Slovenie i Madaga­si­kara, ao amin’ny vondrona B, rehefa resin’i Etazonia ary nandresy an’i Liban, omaly alahady 25 jona. Araka izany, i Espagne na i Fran­tsa no miandry ny Ankoay amin’ny lalao ampa­ha­valon-dalana, amin’ity fiadiana ny amboara eran-tany ity. Mbola hisy ny lalao fahatelo farany amin’ny fifanintsanana isam-bondrona atrehin’ny Malagasy, anio, izay hifanandrinana amin’ ny ekipan’i Slovenie. Tsia­hi­vina, isa 136 no ho 69, ny nandavoan’ny Team USA ny An­koain’i Madaga­sikara, ny sabo­tsy 24 jona lasa teo. Fa­hare­sena tsy nahakivy satria fantatra fa ekipa tsy azo tsinontsinoavina izany Etazonia izany.

Nanarina ny lesoka ny Ankoay
Nanao jery todika ny lalao nifandonana tamin’i Etazonia ny mpanazatra sy ny mpilalao ary nijery paikady ka nahomby izany tamin’ny lalao nihaonana tamin’i Liban. Isa 83 no ho 66 no nandavoan’ny ekipa malagasy ny ekipan’i Liban.

Mpilalao nahafaty baolina be indrindra i M’Madi
Mamiratra hatrany ny laharana faha-4 malagasy, i Mathias M’Madi. Izy no nahafaty baolina be in­drindra, na tamin’ny lalao nifanandrinana tamin’ny Team USA (28 isa) na i Liban (32).

 

Hoy izy ireo

Andriantsarafara Lovasoa: “Nanome ny tsara indrindra ny Malagasy mpilalao. Handresy foana ny tanjona amin’ny lalao rehetra ho avy. Tsy avelako ho latsaka anaty faharesena ny ekipako”.

Coach Randria Aimé: “Nandalina ny lalao natao tamin’ny USA izahay ary nandrafitra paikady izay nahomby. Tsy afa-po tamin’ny isa aho fa faly kosa tamin’ny fandresena. Nanaraka ireo toromarika napetraka ny mpilalao”.

Mathias M’Madi: “Nanome izay vitanay sy nanananay izahay. Niezaka aho nanaraka ny toromarika nomen’ny Coach ahy. Teo ihany ny fanohanan’ireo mpijery tonga maro taty an-toerana”.

Mi.Raz

Partager sur: