Antenimierampirenena: raikitra ny fanonganana ny birao maharitra

Tafapetraka, afakomaly, ny fangatahana fanesorana mpitantana vitsy ao amin’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena. Ho fantatra anio ny ho tohin’izany.

Raikitra! Natolotra ny seketera jeneralin’ny Antenimierampirenena, afakomaly, ny taratasy fanonganana mpikambana efatra amin’ny birao maharitra ao Tsimbazaza. Tompon-kevitra ny depiote telo avy amin’ny IRD. Anisan’ny haongana ny filoha lefitra ho an’ny faritanin’i Toliara, Rabenirina Jean Jac­ques. Olon’ny IRD, avy amin’ny antoko Avi. Voatendry ho mpandrindra nasionalin’ny Mi­hava Tour, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. Anisan’ny voakasiky ny fanonganana ny filoha lefitra ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa, avy amin’ny IRD, ny depiote Razafintsiandraofa Brunelle. Manampy azy ireo ny kestora fahatelo eo anivon’ny Antenimierampirenena, Rabenirina Mamy, avy amin’ny antoko Tim.
Tafiditra ao anatin’izany koa ny filohan’ny vaomieran’ny harena an-kibon’ny tany, ny depiote Mohamad Ahmad. Mpikambana IRD fa miara-dia amin’ny Mihava Tour.
Tsiahivina fa efa ny 8 jona teo, nandritra ny fihaonan’ny governemanta sy ny depiote tsy raikitra no nanombohan’ny resaka fanonganana. Anton’izany ny tsy nahitana ny birao maharitra, tokony hitarika ny fivoriana tamin’io fotoana io. Efa nokasaina hatao taorian’ny tsy nahatanteraka ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny desambra koa izao fanonganana izao.

Synèse

Partager sur: