Hanatontosa ny kongresy nasionaly ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim), ny sabotsy 1 jolay 2023, eny amin’ny Magro Tanjombato. Vonona ny mpikambana rehetra. Efa vita ny dingana ara-panjakana ahafahana manatanteraka izany ao anatin’ny ara-dalàna, raha ny nambaran-dRandriamasinoro Tahiry Ny Rina, sekretera jeneralin’ny antoko Tim. Mpikambana 20 000 isa no vinavinain’ny mpikarakara ho avy.
“Tsy tokony hisy intsony ny sakana tsy ahafahana manao ny kongresy nasionaly”, hoy hatrany izy. Toerana mitafo sy mifefy ary manaraka ny fepetra napetraky ny tomponandraikitra no hanatanterahana ny hetsika. Efa napetraka ny 27 jona 2023 ny fangatahana alalana manao ny hetsika.
Ankoatra izay, tsy maintsy manana “Badge” avokoa ny mpizaika. Hialàna amin’ny mpanakorontana izany, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny antoko.
Lin (Mpianatra asa)




