Nilaza ny mpampakatenin’ny Ceni fa azo antoka ny vola hanaovana fifidianana. Toy izany koa ny lafiny fitaovana sy teknika.
«Raha ny fandehan-draharaha amin’izao, tsy misy antony anahiana ny fanatanterahana fifidianana. Tena azo antoka izany eo amin’ny lafiny vola sy fitaovana ary teknika», hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly. Misy ny vola ho enti-manana ny fifidianana filohan’ny Repoblika.
Na eo aza ny tsy fisian’ny lalàna fanitsiana ny tetibola, misy ny pitsopitsony araka ny lalàna amin’ny famoaham-bolam-panjakana. Maneho ny filana takina hanatanterahana fifidianana ny Ceni amin’izay enti-manana tsy mbola an-tanana. Mamoaka didim-panjakana amin’ny fandefasana ny vola mifanandrify amin’izany ny fitondram-panjakana, rehefa hitany fototra fa mitombina.
Efa miasa ny sorabola tamin’ny tetibola fototra 40 miliara Ar. Misy sorabola takin’ny asa miandry. Misy ny vola amin’ny androm-pifidianana vao ilaina. Arakaraka ny fivoaran’ny asa atao ny fivoahan’ny vola. Efa nanome ny fanekeny ny fahazoana manatanteraka ny fifidianana ny fitondram-panjakana. ”Tsy nekeny 100% ny avy amin’ny Ceni. 140 miliara Ar no natadivian’ny Ceni voalohany. Nisy adihevitra nifanaovana tamin’ny fanjakana, ka ny 70 miliara Ar no hita sy zakany. Nefa mbola mahita ambonimbon’izay ny Ceni. Eo am-pamaranana ny adihevitra momba izany ny rehetre”, hoy i Andriamarotafika Soava .
Ilaina ny tantsoroka
Na izany aza, nisy ny antson’ny fiombonambe iraisam-pirenena ho an’ny mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara hitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fanatanterahana fifidianana. Izay ilay kitapom-bola iraisana. Matoa nambaran’ny solontenan-dry zareo tamin’ny alalan’ny Pnud ampahibemaso izany, efa nisy dinika nandeha. Eo koa ny resaka nifanaovan’ny Ceni tamin-dry zareo, nahatsapana ny fahavononan’ny fiombonambe iraisam-pirenena amin’izay fitondrana ny anjara biriky izay. Heverina fa handeha ny raharaha. Efa vonona amin’ny fifidianana i Madagasikara. Naneho finiavana hanampy ny sehatra iraisam-pirenena. “Ny fanatanterahana no hifanomezana tantsoroka amin’ireo asa takin’ny raharaham-pifidianana”, hoy izy.
R. Nd.




