“Adihevitra diso ny momba ny fizakana zom-pirenena. Tsy mbola niala aminy ny maha Malagasy azy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Fanazavana nentiny momba ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika zom-pirenena frantsay ka hoe tsy hahazoany mirotsa-kofidina.
Misy didim-panjakana ny fanalana ny zom-pirenen’ny olona iray na mangataka miala izy, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana. Iaraha-mahalala fa tsy nangataka izy, mbola Malagasy. ”Mazava ny ao anatin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana : Malagasy ny olona mirotsa-kofidina. Fa tsy misy hoe tsy mahazo mirotsa-kofidina izay manana zom-pirenena hafa, ankoatra ny malagasy. Afa-mirotsa-kofidina izy”, araka ny fanambaran’ity manampahefana ity hatrany.
“Mino izahay fa mbola hirotsaka izy, hanohy izay tsy vita amin’izao fe-potoam-piasana voalohany izao”, hoy izy. Antso avo ataony amin’ny mpanohana ny filoha Rajoelina ny fanomanana ny mpikambana fototra.
R. Nd.




