“Hiatrika fifidianana isika ato ho ato. Mihamafana ny toe-draharaha amin’izao. Mba tsy hilazana hoe mihamahamay… Mila fandraisana andraikitra lehibe isan’ambaratonga izany. Koa aza miraviravy tanana.” Io ny antson’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tamin’ny fanombohana ny fivoriana iarahan’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika malagasy, teny amin’ny Cemes Soanierana, omaly.
Misy fotoana tsy ahafahan’ny tena miantso ny lehibe, ka tsy maintsy manapa-kevitra. “Koa raiso ny fanapahan-kevitra”, hoy izy. Tsy voatery ho mety na tsia izany. Izay no maha lehibe: manapa-kevitra amin’ny fotoana rehetra. Be ny zava-manery momba ny fifidianana. Be ny olona tarihin’ ny olona havia na havanana… “Samia mitandrina. Sao sanatria azo fitaomana tsy tsara loatra, ka ho sahirana isika”, hoy ihany izy.
Filaminana hatrany no tanjona
Ny hahazoana milamina no tiana hahatongavana. Jerena izay mety sy ny mandilana hotentenina amin’izao fivorian-dehibe izao, indrindra ny vahaolana manatsara kokoa izay natao. Ezahina hatsaraina hatrany ny fomba fiasa. Mba hanakaikezana kokoa ny vahoaka izay. Mifampiankina tanteraka ny fandriampahalemana sy ny fihariana. Ezahina harindra araky ny zava-misy izany rehetra izany, arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha. Mba hanamorana sy hanatsarana kokoa ny vokatra azo .
“Tafika matihanina sahy mandray andraikitra ho an’ny tanindrazana” no lohahevitry ny fivoriana. Nanaovana tomban’ezaka nandritra ny enim-bolana. Eo koa ny fandinihana ny enim-bolana manaraka. Hifarana anio ny fivoriana.
R. Nd.




