Mois : juin 2023
Niady mafy tamin’ny aretina… : nodimandry i Anja, Agence Lolita
Tokony ho notontosaina omaly, ilay seho tolo-tanana ho an’i Anja… Indrisy, hafa ny lahatra, ka nodimandry ny sabotsy teo i Anja Andriantiana. Fantatry ny maro eo amin’ny tontolon’ny filatroana, amin’ny maha tomponandraikitra voalohany ao amin’ ny Agence Lolita azy, izy. Ny voalohandohan’ny taona 2022 no nahafantarana voalohany fa misy homamiadana i […]
Seho tokana nataon’i Gims : afa-po ny rehetra tao anatin’ny fampisehoana
Notanterahina teny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 10 jona 2023, ny fampisehoana nataon’i Gims, teto Madagasikara. Seho tokana notanterahin’ity vahiny mpanakanto ity ho an’ny mpankafy azy teto an-toerana iny natao teny Mahamasina iny. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nihaonan’ny mpahay kanto sy ny mpankafy azy . “Tratra hatrany […]
Kiaka-30 taona : tonga maro ireo mpankafy ny tarika
Tontosa omaly, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Kiaka. Seho niavaka no natolotry ny tarika ny mpankafy azy sy nentiny nanome fahafaham-po azy ireo. Nampiavaka ity fampisehoana ity ihany koa ny fanotronan’ny taranaky ny tarika. Mbola tsy lefy laza fa mbola manana ny maha izy azy ny tarika na […]
Fiarahana amin’ny tanora… : nahazo aina vao ireo hiran’i Erick Manana !
« Nampiakarina mpanakanto an-tsehatra ihany koa no niantombohako », hoy ny fitantaran’i Erick Manana matetika… Antony iray iarahany miasa amin’ireo tanora mpanakanto io, indrindra isaky ny mandalo manao fampisehoana an-tanindrazana izy. Niavaka indrindra tamin’ny seho izay nataony teto, nandritra ny 45 taona niakarany an-tsehatra, izay niseho tetsy amin’ny CCesca Antanimena, ny sabotsy […]




