Mois : juin 2023

Fiahiana ara-tsosialy: hitarina ny famatsiam-bola ho an’ireo vahoaka marefo

Mitohy hatrany ny fandinihana sy fakan-kevitra eo amin’ny mpisehatra maro samihafa hanatsarana ny fiahiana ara-tsosialy. Tanjon’izy ireo ny hanampiana ireo vahoaka marefo eto amin’ny Nosy mba hahafahany mihary. Nitohy omaly, tetsy amin’ ny Carlton Anosy ny fakan-kevitra handinihana ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Niarahan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny FID […]

Sendikan’ny indostria malagasy: hampisongadina ny vokatra malagas

Toy ny fanao isan-taona, hampiranty ny vokatra ma­la­gasy ao amin’ny “Label Mala­gasy ny antsika” ny sendikan’ny indostria malagasy (SIM), amin’ity volana jona ity. Haseho sy hisongadina eny amin’ny magazay sy tranombarotra lehibe 14 eto andrenivohitra isaky ny faran’ny herinandro ireo vokatra malagasy. Tanisaina amin’izany ny Jumbo, U Express, Shop Liantsoa, […]

Madagasikara : miditra amin’ny « transition énergétique »

Tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina mandritra ny telo andro ny « Salon de l’électricité des énergies renouvelables et des hydrocarbures », an­diany faharoa. Anisan’ny firenena miditra amin’ny fampiasana angovo azo ha­vaozina i Madagasikara. Antony nahatonga ny hetsika ny fampahafantarana ireo angovo samihafa azo am­piasaina andavanandro an­koatra ny herinaratra. […]

Asa tanana sy haitao : fototry ny fanarenana fihariana

Mampiroborobo ny toekarena malagasy ny fanomezan-danja ny asa tanana sy ny fanodinana ny fako ho vokatra azo ampiasaina andavanandro. Tafiditra anatin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina. “Tokony homena lanja ny asa ta­nana malagasy noho i Madagasikara mbola voasokajy ho anisan’ny firenena tsy manana indostria”, hoy Rabetsialonina Moustane, […]