Mois : juin 2023

Fanatsarana ny toeram-ponenana : nitsidika ireo fotodrafitrasa vita ny ben’ny Tanànan’Antananarivo

Maherin’ny 15 ireo foto­drafitrasa vita tao anatin’ny programan’asa ifarimbonana hanatsarana ny toeram-pone­nana tsizarizary (PIATT), eto Antananarivo. Nisitraka izany, ny fokontany Andavamamba Anatihazo I, Manarintsoa Afo­voany, Manarintsoa Atsinanana ary Manarintsoa Anatihazo. Tonga nitsidika izany ny ben’ ny Tanànan’Antananarivo Re­nivohitra sy ny solombavambahoakan’ny boriborintany voalohany, omaly. Maro ny fotodrafitrasa vita teny anivon’ireo […]

Sampati : hankalaza ny faha-30 taonany

Hankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny fikambanana Sampati (mpanazava sy tily) eto Madagasikara, ny 29 jolay ho avy izao. Nisy, araka izany, ny valandresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny foibe FJKM Anala­kely, omaly. Nampahafantarana ny fizotra sy ny hetsika rehetra hatao mandritra izany. “Mizara ny mazava” ny lohahevitry […]

Hamonjena ireo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo: hanainga anio ny kamiao dimy ho any Atsimo Atsinanana

Ankoatra ny tohana entin’ny fanjakana ho an’ny traboina sy ny vahoaka marefo, manao tan-tsoroka koa ny sehatra samihafa hanampiana azy ireo. Hanainga anio ny kamiao dimy avy ao amin’ny BNGRC hitondra fa­nam­piana ho an’ny olona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo Atsinanana, araka ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, kolonely Andriakaja Elack […]

Ivokolo Analakely : miavaka ny haikanto vita amin’ny plastika

Tanterahina eny amin’ny Ivokolo Analakely ny varotra fampirantiana mitondra ny lohateny hoe “Topy maso ho an’ny fahaleovantena ». Ny Association des Artistes Plasticiens de Madagascar na AAPMCAR no mikarakara ny hetsika, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Nanomboka ny 5 jona 2023 ary tsy hifarana raha tsy ny 20 […]