Mois : juin 2023

Ankoay U19 – “Match amical” : nanao sahala 95 no ho 95 tamin’ny AIA Canada

Lalao ara-pirahalahiana roa no natrehin’ny Ankoay U19, omaly, tetsy Mahama­sina, ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, hatao any Hongrie, afaka tapa-bolana. Araka izany, ady sahala sy fandresena iray no azon’ny Ankoay nandritra ireo lalao roa ireo. Ny voalohany izay nifanandrinany tamin’ny klioban’ny AIA Canada, ka nisaraka ady sahala 95 […]

« Mercato Juin »: lasan’i Real Madrid i Bellingham

Taorian’ny fahalasanan’i Karim Benzema nifindra lasy any Arabia Saodita, Al Ittihad, ny talata lasa teo, nahazo mpilalao vaovao ny Real Madrid. Azon’izy ireo ilay anglisy milalao ao amin’ny Dortmund, Alemana i Jude Bellingham, omaly, araka ny vaovao niely eraky ny tambajotran-tserasera. Mitentina 103 tapitrisa euros ny vidin’i Bellingham, araka ny […]

Tenisy – Billie Jean King Cup : lavon’i Madagasikara i Lesotho

Taorian’ilay fandresentsika, tamin’ny isa 2 no ho 1 nanoloana an’i Cameroun, nahazo vokatra tsara indray ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy, sokajy vehivavy, ny talata lasa teo. Nomontsanin’ny ekipam-pirenena malagasy, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, nandritra ny andro faharoa amin’ny fifaninanana «Billie Jean King Cup». Lavon-dRanaivo Narin­dra, […]

Kitra – Barea de Madagascar : ho tonga amin’ny 10 jona ireo mpila ravinahitra

Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika ny kintana maintin’i Ghana, eo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny Can 2024. Mbola ireo mpilalao avy eto an-toerana no tonga amin’ny fampivondronana, etsy Mahamasina. Efa ao anatin’ny fano­manan-tena amin’izao fotoana izao, ny Barea de Madagascar. Mbola ireo mpilalao avy eto an-toerana avokoa no miatrika izany. […]

Boriborintany I : ankizy 1177 nisitraka kopia faobe

Nanatanteraka fizarana kopia faobe, andiany voalohany, ny boriborintany I, omaly. Maherin’ny 476 ireo kopia voazara nandritra izany. Te­tikasa nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra sy ny Organisation Internationale de la Fran­cophonie (OIF). Nisitraka izany ireo ankizy 1177 eo anelanelan’ny herintaona hatramin’ny 17 taona manerana ny fokontany 44 eo anivon’ny boriborintany. Mbola betsaka […]