Mois : juin 2023

CUA- Fahasalamana sy fahadiovana : niampy 40 ny “inspecteur d’hygiène” hanara-maso

Nampitomboina ny isan’ireo “inspecteur d’hygiène” hiasa, hanara-maso ny fahadiovana sy fahasalamana eto Antananarivo. Midina ifotony mijery ny zava-misy izy ireo ary mampihatra ny sazy mifanaraka amin’izany. Mpianatra “inspecteur d’hygiène” 40 na­voaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly. Natao tetsy amin’ny Lapan’ny Ta­nàna Analakely ny lanonana natrehin’ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivo­hitra. Nampitondraina ny anarana […]

ACMIL : fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra

Notontosaina, ny talata teo, tao amin’ny place d’armes-n’ny Akademia Miara­mila (Acmil) Antsirabe, ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra miisa 114 ao amin’ny andiany mivantana faha-46 (La 46è Promotion) sy ny andiany manokana faha-26 (26è PFMCS) ao amin’ny Acmil. Misokajy ho toy izao manaraka izao izy ireo : miisa […]

Fitsinjovana ny mpiasa : hatsaraina ny fiahiana ara-tsosialy

Notanterahina tetsy amin’ ny Carlton Anosy, omaly, ny famaranana ny volan’ny fiahiana ara-tsosialy izay natomboka tamin’ny volana mey lasa teo. Hetsika nokaraka­rain’ny minisiteran’ny Mpo­nina, niarahany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Fotoana nakana ny hevitr’ireo mpisehatra rehetra mikasika ny fiahiana ara-tsosialy. Tan­jona ny hanatsarana ny paikady nasionaliny momba izany eto Madagasikara, raha ny fanazavana. […]

Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena: atrikasa momba ny ady amin’ny kolikoly

Nosokafan’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Heritiana tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, ny atrikasa tanterahin’ny sampana miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny sampandraharaha momba ny raharahan’ny lalàna. Nitarika sy nandrindra izany ny tale misahana ny raharahan’ny lalàna, Razanarivony Mialisoa. Nanatrika ireo adihevitra mifanandrify amin’izany ireo ratsamangaika rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny […]

FJKM Amparibe Famonjena : hotsofin-drano ny mpitandrina Solofonirina

Hotanterahina ny alahady 25 jona ho avy izao, ny fisotroan-drononon’ny mpitandrina Raharijaona Solofonirina mivady, ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. «Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay», I Tesalonianina 2: 20 ny tenin’Andriamanitra amin’izany. Nambaran’i Anja Razafy, anisan’ny komity mpikarakara fa hiavaka ny fotoana, satria tafiditra ao anatin’ny alahadin’ny taranaka sy ny […]