Mois : juin 2023

Sekoly mendrika : mpifaninana ny EPP Bekily I

Nikarakara hetsika “Se­koly mendrika” ny tetikasa SCORE. Manaja ny fenitra takin’ny fivoarana misy ankehitriny ny fampianarana tsara kalitao ka miantoka voalohany izany ny fampianarana iandraiketan’ny mpampianatra matihanina. Ny fitantanana mahomby, mampianatra ny mangarahara sy ny tambe­rin’andraikitra amin’ny fitantanana ny tolotry ny fanabeazana fototra. Sekoly manana tontolo mahafinaritra, mandrisika ary mahasalama […]

Loza mitatao: mirongatra VIH/SIDA

Mahazo vahana ny aretina Sida eto Madagasikara. Manana ny taha ambony indrindra maneran-tany isika, izay tafakatra 230%. Ankoatra ny firaisana ara-nofo, mety mampiakatra ny antontanisa ny fitsindromana rôrô amin’ny fitaovana maloto sy ifandimbiasana. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Heri­manana, tao amin’ny Lapan’ Anosikely, tamin’ity herinandro ity, ny talem-paritry ny ONUSIDA misahana […]

Fihaonana an-tampony any Bruxelles: solontenan’ny vehivavy mpitarika politika i Masy Goulamaly

Anisan’ireo miatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo vehivavy mpitarika politika “Women Political- WPL”, tanterahina any Bruxelles, Belzika ny depiote Masy Gou­lamaly. Haharitra roa andro izany fivorian’ny solontenan’ny vehivavy avy amin’ny firenena maro samihafa izany. Anisan’ ny hodinihina ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy sy ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ny fandinihana ny […]

Raharaham-pirenena: mitaky datim-pifidianana ny Tim

Mandodona mafy ny fitondram-panjakana ny avy etsy Bel Air. Nanambara ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randriamasinoro Rina, omaly, fa efa fotoana izao hamoahana ny tetiandrom-pifidianana. “Avoahy izany raha tena manana fahavononana tokoa ianareo… Takinay ny hamoahana ny “décret” sy ny tetiandro momba izany, hiomanan’ny vahoaka sy ireo kandidà”, hoy izy. Nohitsiny […]