Nirefodrefotra ny basy tetsy Andavamamba, omaly hariva. Jiolahy roa mpanao fanafihana mitam-piadiana maty voatifitra ny SAG raha nikasa handositra. Miisa dimy ireo jiolahy nifanenjehana. Tratra ny telo ka lavo teo noho eo ny roa, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Azo sambo-belona kosa ny iray. Tafaporitsaka ireo namany. Malaza ratsy amin’ny fanafihana […]
Mois : juin 2023
Naman’i Yarisy… : maty voatifitra i Lex sy Manantany
Lavon’ny miaramilan’ny Base opérationnelle Avancée (BOA), Bravo, ao amin’ny fari-piarovana sy fandriampahalemana Ikopa (ZDS), afakomaly alina, ny jiolahy mpiray tarika amin’i Yarisy antsoina hoe i Lex sy i Manantany. Nandritra ny fisafoana nataon’ireo miaramila mpampandry tany no nahatrarana ireto dahalo mitam-piadiana mahery vaika ireto. Dahalo raindahiny ikoizana amin’ny asa fampihorohoroana sy famoretana ary […]
Amparihingidro: jiolahy nanafika trano fivarotana
Voasoroky ny polisy mialoha ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Antanimalandy, secteur 7, eo anelanelan’ny kaominina ambanivohitr’i Belobaka sy Amparihingidro, afakomaly alina tamin’ny 8 ora. Jiolahy telo nitondra basy vita tanana sy sabatra lavalela no nanatanteraka fanafihana tamina trano fivarotana enta-madinika. Nikasa hiditra an-keriny handroba tao ry zalahy tamin’io fotoana io. […]
Fakana an-keriny: tovovavy avotry ny miaramila, jiolahy roa voasambotra
Ravan’ny miaramila ny andian-jiolahy mpaka an-keriny sady mpandroba tao amin’ny distrikan’i Soavina. Takalon’aina iray votsotra teny amin’ireo olon-dratsy. Avotr’ireo miaramilan’ny Holafy faharoa ao Soavina, avy ao amin’ny “Bataillon d’infanterie” Fianarantsoa teny am-pelatanan’ny dahalo ny tovovavy iray nalain’izy ireo an-keriny tao amin’ny fokontany Saropody, distrikan’i Soavina, omaly maraina tamin’ny 10 ora. […]




