Mois : juin 2023

Angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro: manomboka amin’ny 10.000Ar ny kit anti-delestage

Miroborobo ny varotra an’ireo kit anti-delestage hatramin’ny niandohan’ny fahatapahan-jiro lavareny. Misy fotoana tsy maharaka ny entan’ireo mpivarotra. Anisan’ny tsena nahazo vahana tao ana­tin’ny andro vitsy ny varotra ireo karazana kit anti-delestage enti-miatrika ny fahatapahan-jiro isan’andro. Miroborobo fatratra ny tsena. Manomboka amin’ny 10.000Ar ka hatramin’ny 300.000Ar ny vidin’ny kojakoja mandeha amin’ny […]

Ady amin’ny herisetra (VBG) : mahomby ny fametrahana ny vondron-dehilahy

Nametraka tetikasa ho fi­so­rohana sy fandraisana an-tanana ny olona niharan’ny herisetra mianjady amin’ny mahalahy sy mahavavy (VBG) eto Madagasikara ny Royaume de Norvège sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (Unfpa). Nanomboka ny desambra 2019 hatramin’ny volana jona 2022 no nanatanterahana izany, noho ny faha­tsapana fa nirongatra be ny […]

Toetry ny andro : hiakatra ny maripana eto afovoan-tany

Ao anatin’ny telo andro manaraka, ny tsioka malefaka miovaova no mandrifitra ny toetry ny andro manerana ny Nosy. Any avaratra Atsina­nana ihany no hahazo vahana ny tsioka alizay mitondra orana. Hisitraka izany ny any Analanjirofo, Atsinanana…, hoy ny teknisianina eny Am­pandrianomby, omaly. Noho ny fisian’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy,ho maimaina […]

Fanajana ny tontolo iainana : ampiana hanodina ny fako ny tanora

Mbola tsy vitan’ny Malagasy ny mikarakara ny fako miparitaka eto Antananarivo. Manampy ny tanora hanodina sy hampihena ny fako ny Crs Madagascar manoloana izany. Notanterahina tetsy amin’ny Université catholique de Madagascar (Ucm) Ambatoroka, ny tetikasa: “change makers”. Hetsika nokarakarain’ny Catho­lic relief services (Crs), niaraha-niasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy. Nandraisan’ny tanora mpilatsaka […]