Vaovao mbola mahasarika ny sain’ny maro ny mahakasika ireo telo lahy, namoy ny ainy tany Fianarantsoa, ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa mpanao aferam-batosoa, voasoloky sy voafandrika ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Mazava ny filazan’ny fianakaviana fa mpisoloky avo lenta sy tambajotran’olon-dratsy manerana an’i Madagasikara no ao ambadiky ny raharaha. Betsaka ny […]
Mois : juin 2023
Raharaha tao Lalazana : “sambory ny depiote! “, hoy ny havan’ny maty
Vono olona efa nomanina no niseho tany Lalazana, hoy ny fianakavian’ny maty. Miangavy ny fanjakana mba hisambotra ny depiote, ny Kly Martin, izy ireo. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavin’i Dawilly, ilay mpandraharaha vatosoa, matin’ny fokonolona tany Lalazana, kaominin’i Soahindrana, distrikan’i Vohibato, ny sabotsy alina lasa teo. “Mbola sahirana tamin’ny fikarakarana […]
Fanalam-baraka tamin’ny “Facebook” : hanokatra fanadihadiana ny zandary
Niteraka resabe tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, ny fisiana resaka an-tsoratra tamin’ny finday niparitaka nifanaovana vehivavy sy zandary iray. Voalaza ho tsy nahazo ilay tovovavy ilay lehilahy ka nanao vava taminy. “Miasa any amin’ny toerana tsy misy “réseau” iny zandary voalaza anaty tambajotran-tserasera iny ka tsy azo inoana ny fahamarinan’ilay tranga”, […]
Acmil Antsirabe : zazavao 107 naseho ambany faneva
Tontosa ny fanolorana ambany faneva ireo miaramila zazavao miisa 107 mirahalahy avy amin’ny antokon-taona 2022/2, tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, afakomaly. Nahavita fiofanana fototra ara-miaramila na ny « FETTA » nandritra ny telo volana izy ireo. Haharitra roa taona kosa manomboka eto ny fanompoam-pirenena miandry ireto miaramila zazavao ireto. Maneho sahady ny […]
1 hetsy Ar ny iray grama… : vehivavy iray tratra teo am-pivarotana rôrô
Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny Antohomadinika Atsimo IVO, afakomaly atoandro, ny vehivavy iray malaza ratsy amin’ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika. Efa tsikaritry ny polisy miasa ao amin’ity sampana ity ny fisian’izy io. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy nanao ny fanaraha-maso ka voamarina […]




