Hotanterahina ny alahady 4 jona izao, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny “Méga concert évangélique”, fankalazana ny faha-5 taonan’ny antoko mpihira mitambatra Randram-peo fiderana. Teny faneva amin’izany : “Ka ho reharehanay ny fiderana anao”. Hotendrena amin’izany avokoa ny hira rehetra raha hisahana ny fanamafisam-peo sy ny lampihazo ary ny jiro sy […]
Mois : juin 2023
Nanana taranaka vanona ny Malagasy : mpanabe azo antoka ny reny tompon’ny tokantrano
Ho tonga tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny ». Na fombam-bahiny aza izy io, efa zary ankalazain’ny Malagasy ihany koa… Nanana ny toerana nametrahan’ny ankohonana sy ny fiarahamonina azy ny reny fahiny, noho ny fandraisany anjara goavana amin’ny fanabeazana ny taranany ho tonga olom-banona any aoriana. Tsy marina ny filazana fa […]
Handball-IHF Trophy Zone6 : nomen’ny MJS valin-kasasarana ny Akio
Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Resampa André Haja tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy Akio handball, sokajy cadette sy junior izay avy niatrika ny “IHF Trophy Africa-Zone 6”, natao tany Afrika Atsimo. Notoloran’ny minisitra fisaorana sy valin-kasasarana izy ireo tamin’ny vokatra tsara azony, ka nanandratana […]
Basikety -“World Cup 3×3” : resin’i Brésil 20 no ho 17 ny Ankoay
Tsy afa-bela indray ny ekipa malagasy Ankoay, nanoloana an’i Brésil, omaly, tany Vienne, Autriche, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3. Efa hita ny ezaka nataon’i Livio sy ny namany, saingy mbola tsapa ny tsy fahampian’ny traikefa ka niondrika tamin’ny isa 17 no ho 20 izy ireo. Mbola […]
Volley – GNVB: tanjona ny haka amboara
Haka ny amboara aty amin’ny ranomasimbe Indianina indray no tanjona manaraka ho an’ny Zandarimaria Nasionaly Volley-ball. Io no nambaran’ny Chef d’Escadron Fortunat, filohan’ny klioba, omaly, tetsy Betongolo. Nambarany fa ny resin’ny ekipa avy atsy amin’ny Nosy rahavavy no mampalahelo azy ireo fa tsy ny resin’ny ekipa eto an-toerana. Tsiahivina, vao […]




