Mois : juin 2023

Filoha Rajoelina teny Itaosy : “Tsy hisy hahasakana ny ezaka ataontsika”

Teny Itaosy indray ny filoha Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ny nambarany tamin’izany ny hampandrosoana ny firenena sy ny fikaroham-bahaolana ho an’ny eny Atsimondrano. “Tsy hanaiky isika raha tsy mandroso i Mada­gasikara. Tsy hisy hahasakana ny asa sy ny ezaka ataontsika”, hoy izy, tamin’ny fitokanana ny ivontoerana hiadiana amin’ny zava-mahadomelina (Ofnalat), eny […]

TSELATRA

Mpandeha efatra naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny RN34, teo Pomay, omaly maraina. Taksibrosy niainga tao Morondava nikasa hihazo an’Antananarivo ity tra-doza ity. Nentina notsaboina ao Malaimbandy avy hatrany ireo naratra. Matetika mampitaraina ny mpandeha ny tsy fanajana ny hafainganam-pandehan’ny taksibrosy sasany amin’izao fotoana. Tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe […]

Cash point voatafika : jiolahy roa maty voatifitry ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisin’ny Uir, taorian’ny fifampitifirana, ny jiolahy roa tao Tanam­bao Toliara, afakomaly atoandro. Avy nanafika Cash point iray izy ireo no nifanehatra tamin’ny polisy. Naka vola tamina Cash point iray, ao amin’ny fokontany Morafeno, ny raim-pianakaviana iray. Teny an-dalana ho any Ma­nin­day izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy nirongo basy. […]

Hasarotam-piaro: lehilahy maty voatsindrona antsy

Voasambotra ny lehilahy iray nahavanon-doza ka nahafaty olona tao Ambohitrarahaba, ny 27 jona teo. Raim-pianakaviana 40 taona maty voatsindrona antsy nataon’io lehilahy voasambotra io. Noho ny hasarotam-piaro, nifamaly ireto roa lahy ireto. Nentin’ny hafanam-po, nampiasa antsy ny iray. Nolerany tamin’ny tendan’ilay raim-pianakaviana io antsy io. Naratra mafy, nentin’ny manodidina azy […]

Fialonana: matin’izy roa lahy ny reniny

Nialona ny zaodahiny izy roa lahy. Ny reniny no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. Nodorana ny tranony. Notaperina ny ain’ilay renim-pianakaviana. Namoy ny ainy vokatry ny habibiana nataon’ny zanany roa lahy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Mahavita, kaominina Vohitrandriana, distrikan’i Nosy Varika, ny alin’ny 26 jona teo. Nialona ny valilahiny […]