Mbola milalao ny Ankoay, anio, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, basikety U19, atao any Debrecen Hongrie. Hiatrika ny lalao fiadian-toerana izy ireo ka hifandona amin’i Korea Atsimo, anio zoma 30 jona, amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mitazona ny saina ho ambony hatrany ireo Malagasy mpilalao. Hiezaka ny hitady […]
Mois : juin 2023
«World Games IBSA»: handray anjara i Nampoina, Malagasy judoka jamba
Efa nandray anjara i Nampoina Daniel, Malagasy judoka jamba, tamin’ny “Tournoi international” natao tany Tokyo Japon, ny desambra 2022. Hifaninana amin’ny “World Games IBSA (International Blind Sports association) indray izy. Fifaninanana hatao any Birmingham, ny 19 hatramin’ny 26 aogositra ho avy izao. Zava-dehibe amin’ i Nampoina ny fandraisany anjara amin’ity […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy tanteraka hatramin’ny fotoana farany ny fanonganana ny ampahany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitra. Nirava maina koa ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny depiote, tokony ho natao omaly, tamin’ny 10 ora maraina. Nahemotra tamin’ ny 2 ora tolakandro izany ary nokasaina hatao maraina ny fanonganana. Tsy tanteraka avokoa izany na […]
Toe-draharaham-pirenena mihamafana : miantso fandraisana andraikitra ny Fiarovam-pirenena
“Hiatrika fifidianana isika ato ho ato. Mihamafana ny toe-draharaha amin’izao. Mba tsy hilazana hoe mihamahamay… Mila fandraisana andraikitra lehibe isan’ambaratonga izany. Koa aza miraviravy tanana.” Io ny antson’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tamin’ny fanombohana ny fivoriana iarahan’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika malagasy, teny amin’ny Cemes Soanierana, […]
Rano milamina, manafim-boay
Vita ny fety, efa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Mitohy ny asa aman-draharaha. Mihodina manaraka izany koa ny raharaham-pirenena. Ny fitondrana, manohy ny fandaharanasany. Miketriketrika fifidianana. Midina ifotony mambabo ny fon’ny vahoaka. Mbola mandeha hatramin’ny fametrahana vatofototra. Na nilaza aza ny filohan’ny Repoblika fa mihantona izany. Voalazany fa […]




